Tao aorian’ny fanitsiana nataon’ny teo anivoan’ny Foibem-pibaikoana ny ady amin’ny Coronavirus ny amin’ny ahafahana mifamezivezy dia nanamafy ny fanaraha-maso ireo olona miditra sy mivoaka ny faritra Vakinankaratra ny eo anivon’ny zandarimaria sy ireo mpanara-maso ara-pahasalamana.
Sakana roa no tsy maintsy lalovana raha ho any Antsirabe, renivohitr’i Vakinankaratra. Ny voalohany dia eo am-pivoahana ny faritra Analamanga afaka kely an’Analamanga Park ary ny faharoa dia eo am-pidirana ny tananan’Antsirabe, eo Andranomanelatra ny marimarina kokoa. Nanamafy ny lietnà Arielle Volamanesy, Officier mpanampy – eo anivon’ny kaompania Ambatolampy fa noferana ireo olona miditra sy mivoaka ny faritra nanomboka ny alatsinainy 11 may tamin’ny 12 ora atoandro.