NY OLANA SEDRAIN’NY MPANORATRA BOKY MALAGASY

Anisan’ny olana sedrain’ny mpanoratra ny tsy fanjifan’ny olona ny boky, ny fahakelezan’ny vola miditra. 10% ny vidin’ny boky lafo ihany mantsy no anjaran’izy ireo. Araka ny fanazavana dia lafo kokoa ny boky malagasy mihoatra ny boky hafa. Ny boky amin’ny teny malagasy anefa dia mitana anjara toerany lehibe eo amin’ny fandaharam-pianarana.