ORINASA KRAOMA, NANAIKY NY VAHAOLANA NAROSON’NY FANJAKANA NY MPIASA

Tao aorian’ny hetsika fitakiana karama nataon’ny mpiasan’ny orinasa Kraomita Malagasy, ny alatsinainy 10 febroary lasa teo, dia nihaona tamin’ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika, Fidiniavo Ravokatra ny solontenan’izy ireo ny 14 febroary teny Ampandrianomby. « Tsy afa-po tamin’ny dinika nifanaovana izahay », hoy i Dina Andrianirina, misolo tena ireo mpiasa. Nanambara kosa ny tenany fa eken’izy ireo ny vahaolana naroson’ny minisitra.
Vahaolana maharitra no karohina hoy ny minisititra Fidiniavo Ravokatra mba hahafahan’ny orinasa