Grâce à la convention entre Ravinala Airports, gestionnaire de l’aéroport d’Antananarivo, et le Corps de Protection Civile, des exercices de sauvetage, sont réalisées régulièrement au niveau du lac Laniera afin de se tenir prêt en cas d’accident d’avion.
———-
Manao fanazaratena matetika momba ny fanavotan’aina eo anivon’ny farihy Laniera ny Corps de Protection Civile, izay miara-miasa akaiky amin’ny Ravinala Airports, mpitantana ny seranam-piaramanidin’Antananarivo. Zava-dehibe ho an’ny seranam-piaramanidina ny hetsika tahak’izao satria manamafy ny fiomanana rehetra manodidina ny fanavotan’aina raha sanatria misy loza mihatra.
