Amin’ny maha seranam-piaramanidina malagasy ny seranana eo Ivato, dia, zava-dehibe tokoa ny fanomezan-danja ny teny malagasy ao anatiny.
Izany no nahatonga ny mpitantana ao amin’ny Ravinala Airports nanome lanja ny teny malagasy eny amin’ny takelaka manoro-làlana ny mpandeha ao amin’ny seranana iraisam-pirenena vaovao.
Marihina fa amin’ny teny vahiny daolo ny takelaka tao amin’ny seranana nasionaly sy ny tao amin’ny seranana iraisam-pirenena teo aloha.
Ho arahantsika ato anatin’ity horonantsary manaraka ity ny andinindininy mahakasika izany.
L’aéroport d’Ivato est un aéroport situé à Madagascar. Les dirigeants de Ravinala Airports ont ainsi trouvé logique de mettre en avant la langue malagasy sur toutes les signalétiques dans le nouveau terminal international de l’aéroport d’Ivato. Les signalétiques dans le terminal national et l’ancien terminal international étaient toutes en langues étrangères.
