L’équipe ORAT, Operational Readiness Airport Transfer, ayant été en charge du transfert de toutes les entités aéroportuaires de l’ancien vers le nouveau terminal international d’Antananarivo, a collaboré avec plus de 1000 étudiants bénévoles pour réaliser pendant près de 2 ans plusieurs tests de fonctionnement et formations. Ces derniers sont axés sur la manipulation de nouveaux matériels et processus avec la Communauté aéroportuaire.
Ny ekipa ORAT na Operational Readiness Airport Transfer, izay niandraikitra ny famindrana ny mpisehatra anabakabaka rehetra teo amin’ny tranon-tseranana taloha nakany amin’ny tranon-tseranana iraisam-pirenena vaovao dia niara-niasa akaiky tamin’ny mpianatra aman’arivony mahery, izay nilatsaka an-tsitrapo. Izany fiarahamiasa izany dia nahafahan’ny mpisehatra anabakabaka rehetra nanantanteraka andrana sy fampiofanana maro samihafa nandritry ny 2 taona. Ireto farany izay niompana tamin’ny fianarana ny fomba fampiasana ireo fitaovana vaovao sy fanatsarana ny fomba fiasa rehetra.