SAFIDY – Mila apetraka mazava ireo fepetra mampitombina ny fitoriana

SAFIDY – Nandritra ny tatitra nataony ny 27 janoary tetsy Ambatonankanga, mahakasika ny fifidianana kaominaly sy mpanolo-tsaina farany teo, no nanambaran’ny Sampana Anarahamaso ny Fifidianana, Ivon’ny Demokrasia Ifarimbonana (SAFIDY), fa tsy mbola voafaritra mazava ny fepetra amin’ny maha azo raisiny, sy mitombina, ny fitoriana apetraka momban’ny olana ara-pifidianana. Manana olana mahakasika izany isika hoy i Harijaona Randriamoraniaina, Mpandritra mpanatanteraka eo anivon’ny Safidy. « Tsy mazava ny porofo tokony entina raha hametraka fitoriana » hoy ny tenany.