SARAM-PIANARANA : Samy manana ny fandaminany ireo sekoly

Anisan’ny mampifanolana ny raiaman-dreny sy ny tompon’andraikitry ny sekoly ny fandoavana saram-paianarana mandritra ny fotoanan’ny fihibohana. Na dia eo aza ny fotoana fohy tsy nakanesana any am-pianarana dia tsy maintsy aloha ny karaman’ny mpampianatra. Mila mifandamina noho izany ny sekoly sy ireo ray aman-dreny.