SATA MIFEHY NY MPANOHITRA : Miandry ny antson’ny Antenimieran-doholona ireo solombavambahoaka hirosoana amin’ny fandresen-dahatra

Nampidirin’ny Antenimieran-doholona ho ao anatin’ny lahadika mandrintra tapa-bolana ho avy izao ny volavolan-dalàna mifehy ny satan’ny mpanohitra. Nanambara noho izany i Jean Brunel Razafitsiandraofa, filoha lefitra ny Antenimieram-pirenena, tompon’ny tolo-dalàna fa miandry ny antson’Anosikely izy ireo hirosoana amin’ny fandresen-dahatra.