Sekoly tsy miankina – Misy ireo mbola tsy nahazo ireo fitaovana fidiovana sy fiarovana

Ny talata hariva (21 aprily) no tonga teny anivon’ny Cisco, raha ny manodidina ny faritanin’Antananarivo, ireo fitaovana fidiovana sy arovava ampiasain’ireo mpianatra hanala fanadinana miverina an-tsekoly hoy i Marcellin Tsarasidy, talean’ny ofisy nasionaly misahana ny fampianara tsy miankina amin’ny fanjakana. Nanambara noho izany izy, androany 27 aprily, fa misy ireo sekoly tsy miankina no tsy nahazo izany.