SOLIKA : Nihena hatramin’ny 40% ny fanjifana nandritra ny fihibohona

Vitsy ny fiara mivezivezy, nihena ihany koa ireo fiaramanidina mandeha. Nidina noho izany ny fanjifana solika nandritra ny fihibohona. Raha ny fanazavana azo dia tonga hatramin’ny 91 % izany fihenana izany hoan’ny karazan-tsolika sasany. Tsy nahitana fihenana kosa ny vidin’ny solika na dia nitotongana aza ny sandany teo amin’ny tsena iraisam-pirenena.