SOLOMBAVAMBAHOAKA – TOKY NOMENA

60%-n’ny kandida solombavambahoaka avy eto Analamanga no nanao sonia ny « Toky Nomena » na « Charte de bonne conduite », izay notanterahina androany 30 aprily tao amin’ny Conseil du Fampihavanana Malagasy (CFM) etsy Ampefiloha. Mbola manana hatramin’ny 5 may ny ambiny hanaovana izany sonia izany. « Mila solombavambahoaka vanona, vonona, sahy, mendrika ny olom-pirenena », izany no teny filamatra noentina hanatanterahina ity hetsika ity.