TANÀ-MASOANDRO : MBOLA TSY VOAFARITRA NY FANOMBOHAN’NY FANOTOFANA

TANÀ-MASOANDRO – Nambaran’ny Minisitry ny fanajariana ny tany, sy ny toeram-ponenana, ary ny asa vaventy, Hajo Andrianainarivelo, fa mihabetsaka ireo olana izay manaiky ny amin’ny fanotofana ny tany eny Ambohitrimanjaka. Fanambarana nataony nandritry ny fanokanana ny « Route des Hydrocarbures » tetsy Alarobia ny 25 novambra maraina teo.