Anisan’ny nampiroborobo ny fampiasana ny fitenin-jatovo ny hetsika tamin’ny taona 1972. Ireo zatovo nahatsiaro ho natao amorom-bala matetika no mamorona sy mampiasa ireny teny ireny. Saingy niroborobo ny fampiasana azy rehefa nomen-danja teo amin’ny fiaraha-monina izy ireny.
