“Tokony tsy tataovana hetra ireo akora ilaina amin’ny sakafom-bidy toy ny faika sy ny katsaka”. Io no nambaranan’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny “Malagasy Professionnels de l’Elevage” nandritra ny fihaonan’izy ireo tamin’ny mpanao gazety io maraina (28 novambra) io. Ny katsaka ohatra dia laro iray mameno ny 60% ka hatramin’ny 70% ny sakafom-biby.
Vonona hifampiresaka amin’ny tompon’andraikim-panjakana ireo mpiompy matihanina hitadiavana vahaolana iombonana. Nilaza ireto farany fa azo atao ny mampiatra sokajin-ketra mifanaraka amin’ny zava-misy iainan’ny mpandraharaha tsirairay. Anisan’izany ohatra ny fametrahana hetra mifanaraka amin’ny isan’ny biby ompiana.