TENY – Ohabolana sa fitenenan-draikitra ?

Fampiasan’ny Malagasy ny ohabolana na ny oha-pitenenana rehefa miresaka. Antsoina hoe ohabolana ny fehezan-teny iray rehefa misy fanoharana. « Proverbe » no azo andikana amin’ny teny frantsay ny hoe « ohabolana ». Misy ihany koa ny « fitenenan-draikitra » na « fombam-pitenenana ». Tsy misy fanoharana ao anatiny saingy fampiasan’ny Malagasy amin’ny an-davanandro ihany koa. Ity ilay hoe « Dicton », hoy ny Frantsay. Samy tsy fantatra mazava ny namorona azy ireny teo amin’ny Malagasy fa fomba fiteny kosa efa nosivanin’ny fotoana. Ny fanazavan’ny Pr Jeannot Fils Ranaivoson