TENY – Tokony hampidirana litera vaovao ny abidia malagasy, hoy ny Pr Irène Rabenoro

Fiarakaretsaka sa taxi sa taksi sa takisia ? Iray ihany no heviny, dia izay fohy ihany matetika no ampiasain’ny olombelona, hoy ny profesora Irène Rabenoro. Samy tsy diso anefa ireo, hoy ity mpampianatra-mpikaroka teny ara-piaraha-monina ity. Fomba roa matetika no ampiasain’ny fiarahamonina rehefa handika teny na hamorona teny miainga amin’ny teny vahiny izy. Raha tiana anefa ny hanagasy tsotra fotsiny izao ny teny vahiny dia ilaina dia ilaina ny mampiditra litera vaovao ao anaty abidia malagasy. Fanazavana.