Tetik’asa Tanamasoandro – Azo atao ny mandinika toeran-kafa raha misy ny sakana hoy ny ministra Zasy Angelo

Mbola tsy misy ny asa mandeha eny amin’ny tetik’asa Tanamasoandro amin’izao fotoana izao hoy ny ministra Zasy Angelo teo alohan’ireo solombavambahoaka ny alarobia 03 may. Mandinika ihany koa ny ministera ny amin’ny mety hanovana ny toerana hanaovana ilay tetik’asa raha misy ny sakana hoy hatrany izy.