TOE KARENA – Miandry ny filoha ny famoahana ny drafitra fanohanana ny sehatrasa marolafy

Tsy niresaka momba ny drafitra fanohanana ny sehatrasa marolafy ny ministry ny Fizahan-tany sy ny fitaterana ary ny famantarana ny toetrandro nandritra ny fihaonany tamin’ny solombavambahoaka. Ny filoham-pirenena ihany no afaka mamaly ny fanontaniana mikasika izany, hoy izy tamin’ireo solombavambahoaka nanontany azy.