TOETRANDRO – Hiakatra ny mari-pana manomboka amin’ny alakamisy

Mbola hamirifiry ny hatsiaka rehefa maraina ato anatin’ny telo andro ho avy. Somary hiakatra kosa anefa ny mari-pana na izany aza, hoy ny avy ao amin’ny famantarana ny toetrandro. Hahatratra 19°C ka hatramin’ny 23°C ny mari-pâna ambony indrindra. 8°C kosa ny ambany indrindra aty afovoan-tany.