VANF ANTRANONKALA – Copa America amin’ny BeIN

Mandritra anareo «Miara-mirona : alefa Barea», saika latsaka ny Argentina misy an’i Lionel Messi, mpilalao baolina mahay indrindra eto ambonin’ny Tany. Soa fa nandresy an’i Qatar 2-0. Resaka Copa America indray izany.

Hita no mbola maha Nosy antsika : Nosy jeografika, Nosy ara-tsaina, Nosy ara-baovao. Izany Copa America izany anefa, izay tsy ho hitanao amin’ny TVM aloha, dia ahitana ny firenena isan’ny kalaza indrindra amin’ny baolina kitra : Brésil (Amboara erantany 5, Copa America 8), Argentine (Amboara erantany 2, Copa America 14). Amin’ity andiany 2019 ity dia mety ho hitanao amin’ny BeIN Sports ry Alexis Sanchez (Chili, Man United), Arturo Vidal (Chili, Barcelone), Dani Alves (Brésil, PSG ex-Barcelone), Felipe Coutinho (Brésil, Barcelone), Roberto Firmino (Brésil, Liverpool), Thiago Silva (Brésil, PSG), Gabriel Jesus (Brésil, Manchester City), Edinson Cavani (Uruguay, PSG), Luis Suarez (Uruguay, Barcelone), Sergio Aguero (Argentine, Man City) : amidy eny amin’ny tsena manerana izao tontolo izao (eny fa na eto amin’ny tsenan’ny Nosy Madagasikara aza) ny akanjo misy ny anaran’ireo mpilalao ireo, porofo ny maha fanta-daza hatraiza hatraiza azy.

Tompon-dakan’ny Eoropa dimy niaraka tamin’ny Liverpool, tompon-dakan’ny Angletera dimy hafa miaraka amin’ny Manchester City, ary mbola dimy ankoatra ireo tompon-dakan’ny Espana miaraka amin’ny Barcelona, no indray mandray anjara amin’ity Copa America ity. Raha hianatra kitra, raha haka anatra teknika, avo lenta dia avo lenta izany.

Raha mbola mpanaraka baolina kitra, iza no tsy mahalala an’i Lionel Messi. Tapitra azony avokoa ny amboara rehetra miaraka amin’ny FC Barcelone, saingy ohatran’ny misy ozona izy rehefa misalotra ny akanjon’i Argentine : resy hatrany tamin’ny Lalao Famaranana efatra (Amboara erantany 2014, Copa America 2007, 2015, 2016).

Ny tena mampametra-panontaniana moa dia ny fifanotonan’ny Fifaninana telo, samy sahanin’ny FIFA : Copa America (Brazil, 14 jona hatramin’ny 7 jolay, andiany faha 46), Coupe d’Afrique des Nations (Egypta, 21 jona – 19 jolay, andiany faha 32), Tompon-daka erantany ho an’ny vehivavy (Frantsa, 7 jona au 7 jolay, andiany faha 8)… Aiza no tsy ho takona ny sasany, indrindra raha BeIN Sports no hany ahitana azy…

Raha misy audit ho atao ihany, fanontaniana mby ao antsaina avy hatrany koa ny mahita an’i Qatar na Japana mandray anjara amin’ny Copa America. Israely aza moa ampiarahin’ny FIFA amin’ny UEFA (mba tsy hifandirana amin’ny tany arabo). Raha ara-jeografia, tsy tsotra kokoa ve raha avondrona ho tokana ny CONMEBOL (Amerika atsimo) sy ny CONCACAF (Amerika avaratra, afovoany ary Karaïba). Midadasika loatra ? Ny Konfederasiona Asia aza miala any Liban mipaka hatrany Japana, mandalo an’India sy Indonesia ary ny vondrona ASEAN.

Varivarian’ny lavitra tokoa ny Antranonkala… Azoko an-tsaina fa tsy misy alehan’ny sain’ireo tsy mijery afa-tsy ny ambany maso, «Miara-mirona : Alefa Barea», izany resaka Copa America izany.