Ny fanentanana ve voatery ho ireny horakoraka maivan-doha sy hiakiaka tsy misy lohany tsy misy vodiny ireny sa mba fanehoana ny kanto, ravahana hira mba tena hira, araka ny famaritana ao amin’ny Rakibolana : Hira = feo mirindra mahafinaritra. Mirindra, mahafinaritra, fa tsy mankarenin-tsofina fotsiny ary mainka manorisory.
Saika mba hanaraka ny fitsenàna ny Ekipam-pirenena ihany aho, omaly, saingy vao nahita ny korontana teny Ivato dia efa kivy. Kivy amin’ny tsy fahaizan’ny Gasy mba mandamin-javatra. Ilay «salon d’honneur» nibosesehan’ny havan’ny havan’ny havan-dranona. Ny «officiels», tsy mahay mijanona amin’ny maha «officiels» azy fa mibahana maka sary, mamihina ny mpilalao, latsa-dranomaso tahaka ny any amin’ny fetim-pianakaviany.
Nanampy trotraka ny «fanentanana» bontolo tetsy amin’ny «podium» Mahamasina ka naleoko nihodina nanao zavatra hafa. Ny andro rahateo, nandroso ho hariva, tsy ifankahitan-tava intsony, na ny mpitsena, na ny tsenaina. Taitra tamin’ny torimaso anefa aho, raha nigadona ny sasak’alina, fa toa misy feon-tafondro tao alatrano. Hay moa afomanga indray tetsy Mahamasina : fa tsy tamin’ny telo folakandro ve ny fiaramanidina no nigadona teny Ivato ka adin’ny sivy aty aoriana, anatin’ny haizim-pito, vao mifanatri-tava anaty ambiaty…
Fotoana nantenain-kanirina, kanjo nampivandravandra. Z’inona no mba hafatra ho tanana omaly. Mendrika zavatra hafa tsara lavitra noho ireny ny zava-bita tany Egypta.
Ny sarin’i Madagasikara hitan’izao tontolo izao farany dia ireny sary nahasodoka tany Alexandrie ireny. Ny sarin’i Madagasikara manaraka, hiparitaka maneran-tany, dia ireny korontandrotana omaly ireny. Tampi-maso tsy naharitra ilay «fahagagana» tany Egypta. Miverina amin’ny laoniny ny zava-drehetra : korontana, hitsa-kitro, fifanosehana, savorovoro, hiakiakan-tsahona.
