Isaky ny avy ny orana, dibo-drano Antananarivo. Ranobe mangeniheny.
Tsy misy mody atao mahagaga izany satria tanimbary, hetrina, heniheny, honahona, avokoa io nototofana nananganana tanàna io : Analakely, Besarety, Anosy, Ampefiloha, 67 ha.
Mialà kely fotsiny amin’ny arabe mamakivaky an’i Besarety, avy eo Andravoahangy-ambony hatreny Ambodin’i Mangasoavina, fa tanin’anandrano no mbola ao. Mivoahà kely indray ny arabe mamakivaky an’Ankorondrano, ao ambadiky ny Village des Jeux, La City, sy ny sisa, fa mbola tanimbary no ao. Raiso amin’izay ny anaran’ny Fokontany isaky ny Firaisana enina eto Antananarivo-Renivohitra : Firaisana 1 (Andranomanalina, Antetezanafovoany, Antohomadinika, Avaratetezana), Firaisana 3 (Andranomahery-Ankorondrano, Behoririka), Firaisana 4 (Ambodirano-Ampefiloha, Andoharano, Ankaditoho, Anosibe, Anosipatrana, Anosizato, Morarano andrefan’i Soanierana)… Voatety avokoa ny «Faritra iva»…
Tanimbary, taninanandrano, honahona, heniheny, hetrina : rano izany, rano fotsiny. Rano tompon-tany, fahanan’Andriantany zanak’Ikopa ery atsimony, ary ivarinan’i Mamba ihany koa rehefa tondraka ny Avaradrano.
Aza adino ny anaran-toerana : Soa-RANO, Ankoron-dRANO, AndRANObevava, AndRANOmena, miteny ho azy ireo. AMPEFILOHA : satria noferana ambadiky ny fefiloha ny rano. VAHILAVA-n’Ambohimanarina : nanaraka an’Ikopa taloha. ANDAVAMAMBA : lasa ny Mamba misosoka ny voay, ka mety ho Marovoay mihitsy teo fahiny. ANKADITOHO : ny toho hazandrano. Lasa saina aho sao mba AndravoahangindRANO, zavamaniry no nanome anarana ny faritra Andravoahangy fa tsy Ravoahangy Vazimba…Fa ny Vazimba ihany koa anefa tsy misaraka aman-drano.
Andranotapahina, tsy hoe ilay farihy vakian’ny arabe mihazo an’Ambohidratrimo isan’ny Tendrombohitra Roambinifolo fotsiny ihany. Azo antsoina ho Andranotapahina, na tanimbary-tapahina, ny ambadiky ny «Village de la Francophonie» etsy amin’ny Route digue. Andranotapahina ihany koa Laniera manontolo vakian’ny «Route de la Francophonie». Andranotapahina efa ho ritra ny etsy Dorodosy-Imerimanjaka, vakian’ny «By-Pass». Ny «Dobon’i Calixte» taloha aza moa an-dalam-panotofana.
Rano telo no mamaritra an’Antananarivo avy andrefana : Ikopa ery atsimo, Mamba aty avaratra, Andriantany mamakivaky ny tanimbary. Tadidio ny rano. Asio itoerany fa aza totofana Betsimitatatra sy ny farihy. Omeo lalana hisintahany fa aza vatoina sy taràna avokoa ny toerana rehetra.
