Tafakatra amin’ny ampaha-efa-dalana i Madagasikara. Mitohy ihany ny «Fahagagana» any Egypta. «Fahagagana» satria «tsy manana Championnat mazava ny kitra eto Madagasikara», hoy ilay Frantsay Nicolas Dupuis, mpanazatra an’i Madagasikara. Tarika inona moa no hatsangana raha tsy misy akory championnat marim-pototra ? Raha zatra manaraka ny «Ligue des Champions» UEFA, dia fanina tanteraka vao mba mijery ny fitantanana ny baolina kitra eto an-toerana.
Any Angletera, Espana, Alemaina, Italia, Holanda, Frantsa, Portugal, mantsy dia mazava tsara inona sy iza no «Division Voalohany» ary mipetrapetraka tsara ny kalendary. Any amin’ireny firenena ireny koa moa ny Tanan-dehibe tsy mifarana amin’ny Renivohi-Pirenena sy ny Renivohi-Paritany ihany fa maro dia maro ny Tanàna mahavita tena, mahatsangana ny kianjany, mahakolo ny ekipany. Londres, ohatra, Renivohitr’i Angletera, manana ekipa miisa enina milalao amin’ny «Premier League», ary ekipa fanta-daza hatraty Madagasikara fa tsy hoe ekipa-pokontany : Arsenal, Chelsea, Tottenham, West Ham, Fulham, Crystal Palace.
Tsy any amin’ireny firenena ireny no hisy ekipa vao teraka androany, avy nividy manontolo ny mpilalao rehetran’ny ekipa iray hafa bankiropitra, anefa avy hatrany dia hilahatra hifaninana amin’ny «Division 1». Amin’ny baolina kitra, ny lanja-miakatra dia isa mijotso : 5 vao 4 vao 3 vao 2 vao 1. Ny isan’ny tarika amin’izany «Division Voalohany» izany dia voafetra : roapolo raha betsaka ho an’ny firenena manontolo, fa tsy roapolo isaky ny Faritra. Soa Fianatra.
Raraka i Egypta mpampiantrano ny CAN. Natsahatra amin’ny asany avy hatrany ilay mpanazatra. Nametra-pialana nanaraka izay koa ny filohan’ny Federasiona baolina kitra. Mety hoe te-ho-deraina tafahoatra, saingy Egypta tsy zatra resy lava : efa impito ireo no nandrombaka ny CAN (1957, 1959, 1986, 1998, 2006, 2008, 2010), ka lalao famaranana fara-faharatsiny no tanjona isaky ny mifaninana. Napetraka ny rafitra hahatanteraka izany tanjona izany, nomena ny fitaovana rehetra nilainy, samy nifofotra tamin’ny tandrify azy ny isan’andraikitra : asa an-taonany izany, fa tsy kisendrasendra ; mitaky fandavan-tena izany fa tsy mendim-boninahitra fotsiny ; mitsinjo ny lavitra izany fa tsy varian’ny ambany maso fotsiny.
Lehibe ny zava-bitan’ny Ekipa-pirenena malagasy any amin’ny CAN. Ny tsy faha-tomombanan’ny FMF, tsy helok’izy iraika ambin’ny folo lahy milalao amin’ny fony manontolo ary mampihetsi-po vahoaka roapolo tapitrisa aty Anivon’ny Riaka. Fa aoka kosa ny zava-bitan’izy roapolo lahy any Egypta tsy ho sandohan’ny FMF ho fahombiazany. Soa ho fianatra ny fomba fiasan’ny UEFA : mety tsy ho tratra avy hatrany ny zava-bitany, saingy raha tsy mianatra ny fomba fiasany isika, tsy hahazo zava-bita mihitsy mandrakizay.
Sanatria ka hisy hisavika izao «Fahagagana» any Egypta izao, ka tsy hanova na inona na inona indray, na vina na olona na fomba fiasa, ao amin’io FMF io.
*Isika jamban’ny ampaha-valon-dalana any Egypta : lasan’i Brazil indray (fanintsiviny izao) ny Copa America (CONMEBOL). Lavony tamin’ny antsasa-dalana i Lionel Messi sy Argentina (2-0). Resiny tamin’ny famaranana i Peru (3-1).
*Isika jamban’ny CAN : USA sy Meksika no hiady ny famaranana ny Gold Cup (CONCACAF) rehefa kelikely.
*Fifaninana fahatelo tapitra ny 7 jolay, ny Tompon-daka eran-tany amin’ny baolina kitra vehivavy (FIFA) : resin’ny USA mazava i Holanda (2-0).
