VANIM-POTOANA – Ny Malagasy sy ny fahavaratra ary ny maitso ahitra

Avy ny orana. Mifanesy ny rivodoza. Ny vokatra ringitra na tsy misy. Tsy misy ny vola satria tsy misy ny vokatra amidy. Ny asa fambolena koa anefa tsy maintsy mandeha. Fahavaratra marina ny andro. Fotoanan’ny maitso ahitra, hoy ny fitenenanana. Ireo zava-misy rehetra ireo no mahatonga ny Malagasy tsy dia mikarakara lanonana loatra rehefa fahavaratra. Fa tsy sanatria fotsiny hoe noho ny halavan’ny volana Janoary araka ny lazain’ireo lany vola tamin’ny fetin’ny faran’ny taona gregoriana. Resadresaka tamin’ny profesora Jeannot Fils Ranaivoson, mpampianatra mpikaroka malagasy.