VAOVAO – MINUTE FLASH 01 MARTSA 2023

– HAIADY – Ho tanterahina eto Madagasikara amin’ny volana Jolay ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika amin’ny taranja judo ho an’ny sokajy cadets sy juniors
– TOETR’ANDRO – Ho mafimafy ny rotsak’orana any amin’ny faritra Atsimo-andrefana manomboka ny alakamisy
– FANDRIAMPAHALEMANA – Voarara ny fivezivezena manomboka amin’ny 9 ora alina hatramin’ny 3 ora maraina ao Ambatondrazaka sy Amparafaravola
– VOLLEY-BALL – Tafiakatra amin’ny dingan’ny ampahefa-dalana ireo ekipa malagasy miisa telo mandray anjara amin’ny fiadiana ny amboaran’ny ranomasimbe indianina na ny faritra faha-7