VAOVAO MINUTE FLASH 03 AOGOSITRA 2023

FANONDRANANA AN-TSOKOSOKO : Hiroso amin’ny dingana ofisialy mba hamerenana ireo bolongam-bolamena milanja 49 kilao tratra tao Kaomoro tamin’ny 2021 ny fanjakana Malagasy
FIAHIANA ARA-TSOSIALY : Tokantrano sahirana miisa valo hetsy eo ho eo no ho zaraina lelavola 250 000 Ariary
FANATANJAHANTENA : Hiakatra ho telo ny medaly azon’i Madagasikara any amin’ny Lalaon’ny Frankofonia
FIFAMOIVOIZANA : Atao lalan-tokana tsy azo hifanenana ny lalana mampitohy an’Ankorondrano mivoaka eny Tsaramasay mandritra ny asa fametrahana ny andrim-by, pylône, eny Ankorondrano