VAOVAO – MINUTE FLASH 04 JOLAY 2023

– BASKETBALL – Mpilalao 10 tamin’ireo nandray anjara tamin’ny fiadiana ny amboara eran-tany no tonga eto Madagasikara androany teny Ivato
– FITSINJARAM-PAHEFANA – Mandray anjara amin’ny Vovonana nasionaly eny Ivato, mandritra ny roa andro, ireo mpisehatra ara-panjakana avy amin’ny faritra 23
– FIZAHANTANY – Mpizahantany miisa 53.000 no andrasana ho tonga eto Madagasikara mandritra ny volana Jolay sy Aogositra
– FITATERANA – Misy fiaingana telo isan-kerinandro ao Fiainarantsoa ny zotran-dalamby FCE