-HETSIKA POLITIKA – Nihaona tamin’ireo mpanao politika sy sendikalista teny amin’ny “Le Hintsy” Ambohimanambola ny ampahany tamin’ireo kandidà ho filohampirenena
-FIFIDIANANA – Mety hisy fihaonana eo amin’ny Vaomiera mahaleotena mikarakara ny fifidianana sy ireo kandidà milatsaka filoham-pirenena ny zoma 6 Oktobra izao
-BAOLINA KITRA – Mpilalao miisa 22 no voaantso handrafitra ny Barean’i Madagasikara hiatrika ireo lalao ara-pirahalahiana roa ho atao any Maraoka amin’ity volana Oktobra ity
-FARITRA ANDROY – Nisokatra androany ao Ambovombe ny foara Voatse
