-GOVERNEMANTA – Hanao fianianana avokoa izay rehetra voatendry ho minisitra mandritra ity fotoam-pitondran’ny filoha Andry Rajoelina ity
-KOLIKOLY – Nampidirina vonjimaika eny Antanimora ny prefen’i Mahajanga sy ny talem-paritry ny Varotra ao amin’ny faritra Boeny taorian’ilay raharaha vary simba sy lo tany Mahajanga
-FANDRAHARAHANA – Ny volana Aprily no hanomboka hanao ny asa famatsiam-bola madinika ny Paositra malagasy
-LOZA VOAJANAHARY – Miisa 26.075 hatramin’izao ireo tra-boina taorian’ny nandalovan’ny rivo-doza Alvaro teto Madagasikara
