VAOVAO – MINUTE FLASH 05 SEPTAMBRA 2023

– FIFIDIANANA – Ny alatsinainy 11 Septambra izao no hiroso amin’ny an-tsapaka amin’ny filaharan’ireo kandidà ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana
– FIFIDIANANA – Tonga nanatitra ny anontan-taratasy teny amin’ny Fitsarana Avo momba ny lalam-panorenana i Hery Rajaonarimampianina
– FIAINAM-PIRENENA – Nangataka ny hevitry ny Fitsarana avo momba ny lalam-panorenana mikasika ilay andininy faha-46 tapany faharoa ao amin’ny lalam-panorenana ny Praiministra
– HAINTRANO – Trano an-jatony no kilan’ny afo tao amin’ny fokontany Ambarata, tao Ambilobe