VAOVAO – MINUTE FLASH 07 FEBROARY 2024

TANDINDON-DOZA – Mampitandrina ireo faritra lalovan’i Betsiboka ny amin’ny mety ho fiakaran’ny rano ao anatin’ny 48 ora ny BNGRC
FIAKARAN’NY RANO – Mbola mitoetra ny filazana loza manambana ho an’ny lemak’Antananarivo lalovan’ny renirano Sisaony
TSENA IVELANY – Nihena hatramin’ny 15,7% ny tahan’ny fanondranana entana ho any ivelany tamin’ny 2023 raha oharina ny tamin’ny 2022
BAOLINA KITRA – Lalao valo no hanokatra ny Pureplay football league ny faran’ny herinandro izao