VAOVAO – MINUTE FLASH 07 NOVAMBRA 2022

– VALAN’ARETINA – Mbola nahitana olona 39 vaovao voamarina fa mitondra ny tsimokaretina coronavirus eto Madagasikara teo anelanelan’ny 29 Oktobra sy 4 Novambra, araka ny antotanisa farany navoakan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.
– TONTOLO IAINANA – Tonga any Sharm El Sheick, Ejipta,ny delegasiona malagasy tarihin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina izay handray anjara amin’ny fivoriana an-tampony andiany faha-27 amin’ny fifanarahana lasitry ny Firenena Mikambana mikasika ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetrandro, na ny COP 27.
– FAHASALAMANA – 80% no tahan’ny fahavitam-bakisiny miaro amin’ny coronavirus tokony ho tratrarin’i Nosy-Be mba hampandry ny sain’ireo mpizahatany maniry hitsidika any an-toerana.
– TARANJA BASKETBALL – Mbola nobatain’ny COSPN indray ny amboaran’i Madagasikara tamin’ny lalao famaranan’ny N1A lehilahy raha nifanandrina tamin’ny ASCUT tamin’ny isa 78 no ho 61, ny Alahady lasa teo tetsy Mahamasina.