VAOVAO – MINUTE FLASH 08 JOLAY 2022

– FAHASALAMAM-BAHOAKA – Maherin’ny 2.200.000 ny fatrana vaksiny fanefitry ny Covid-19 natolotry ny governemanta amerikana ho an’i Madagasikara nanomboka ny volana Jolay 2021
– BASKET-BALL – Teknisiana malagasy miisa 15 no miatrika fanofanana iraisam-pirenena dingana voalohany ho an’ny mpanazatra, mandritra ny enina andro
– FANAOVAM-BAKSINY – Maherin’ny dimy tapitrisa ireo zaza latsaky ny dimy taona avy amina distrika 119 no vinavinaina ho vita vaksiny hiadiana amin’ny lefakozatra ao anatin’ny telo andro