VAOVAO – MINUTE FLASH 08 NOVAMBRA 2023.

– FIHETSIKETSEHANA – Olona enina farafahakeliny no naratra nandritra ny hetsiky ny vondron’ny kandidà teny Mahamasina
– POLITIKA – Manohy ny fampielezan-kevitra tany amin’ny faritra Sava ny kandidà Andry Rajoelina, tanàna maro any amin’ny faritra Alaotra-Mangoro, Menabe ary Atsinanana no notsidihin’ny kandidà Siteny Randrianasoloniaiko
– FIFIDIANANA – Ny 11 amin’ireo kandidà ho filoham-pirenena no namaly ny antson’ny filohan’ny Antenimierampirenena sy ny FFKM teny Tsimbazaza
– FIFIDIANANA – Ny alatsinainy 13 Novambra izao no hiady hevitra ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana ireo kandidà