VAOVAO MINUTE FLASH 11 APRILY 2024

-FITATERANA AN’HABAKABAKA – Hahazo fiaramanidina miisa efatra i Madagasikara Airlines mialoha ny faran’ny taona, raha ny nambaran’ny minisitry ny Fitaterana
-TAFIKA – Azo arahi-maso manomboka izao ny fampiasàna fitaovam-piadiana sy bala amin’ireo fari-piarovana miisa 13 eto Madagasikara
-RAHARAHAM-PANJAKANA – Nitombo ny vola niditra tao amin’ny kitapom-bolam-panjakana hatramin’ny nampiasana ny haitao ara-kajy mirindra tamin’ny fanomezana pasipaoro
-FINOANA – Nomarihina omaly sy androany ny fetin’ny Eid ho an’ ireo mpino Silamo
-FIFAMOIVOIZANA – Ho foana ireo toeram-piantsonana eo amin’ny CNTEMAD Ambatomitsangana hatrany amin’ny pharmacie Ankadifotsy ny tolakandron’ny zoma