VAOVAO – MINUTE FLASH 12 JANOARY 2024

– TOETR’ANDRO – Hahazo vahana ny rotsak’orana any amin’ny tapany avaratry ny Nosy noho ny fisian’ilay rivo-doza miforona ao amin’ny Ranomasimbe indianina
– FANDAMINANA – Foana ny toeram-piantsonan’ny « Taxi-be » etsy Ampefiloha eo am-pitan’ny hôtely Carlton araka ny fanambarana nataon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra
– BAOLINA KITRA – Ny fihaonan’i Côte d’Ivoire sy i Guinée-Bissau no hanokatra ny fiadiana ny amboaran’i Afrika 2024
– JÔBILY – Ny sabotsy 27 Janoary izao no hisokatra amin’ny fomba ofisialy ny fankalazana ny faha-100 Taonan’ny skoto Tily eto Madagasikara