VAOVAO – MINUTE FLASH 13 DESAMBRA 2023.

– FIFAMOIVOIZANA – Tapaka ny lalana eny amin’ny manodidina ny kianja Barea Mahamasina manomboka amin’ny 6 ora maraina ny sabotsy 16 Desambra
– ASAM-PANJAKANA – Nesorina tsy ho governoran’ny faritra Betsiboka intsony i Jean Roger Randrianjafinindrina
– FIAKARAN’NY RANO – Nanomboka omaly talata ny fanadiovana ireo lakandrano telo eto Antananarivo
– HERINARATRA – Nikorontana ny famatsiana herinaratra androany alarobia teto amin’ny tambajotra iraisan’antananarivo nohon’ny asa maika nataon’ny Jirama