VAOVAO – MINUTE FLASH 15 NOVAMBRA 2023.

– FIFIDIANANA – Tsy azo atao ny mivezivezy amin’ny andro alina eto Analamanga, ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy, manomboka amin’ny 9 ora alina ka hatramin’ny 4 ora maraina
– FIFIDIANANA – Mikatona ho an’ny fifamoivoizana ny lalana Rabobalahy eo Ambohidahy manomboka ny zoma 17 Novambra izao
– FAMPIANARANA – Sekoly tsy miankina amin’ny Fanjakana maromaro eto Antananarivo no nanapa-kevitra hampiato ny fampianarana ny 16 sy 17 Novambra
– BAOLINA KITRA – Tonga any Kumasi avokoa ny mpilalaon’ny Barea rehetra, tsy maintsy nody aty Madagasikara kosa i Tantely Avotriniaina Rabarijaona izay namoy ny vadiny