VAOVAO – MINUTE FLASH 16 AOGOSITRA 2022

– VALIM-PANADINANA – Miandry amin’ny faran’ny herinandro ny valin’ny fanadinana bakalorea eto Antananarivo, 45,22% sy 43,95 ny taham-pahafahana tao Mahajanga sy Fianarantsoa.
– TSENA – Nihaona tamin’ireo solontenan’ny mpivarotra eto an-drenivohitra ny ben’ny tanànan’Antananarivo nanazava ny mikasika ny fitantanana ireo tsena.
– FIAROVAM-PIRENENA – Tafapetraka amin’ny fomba ofisialy ny vondron-tafika an-dranomasina ao Toliara izay hitobian’ny Tafika an-dranomasina any amin’ny Faritra Atsimo-Andrefana.