– ANDRO RATSY – Nahazo filazana miloko mena amin’ny habetsaky ny rotsak’orana ny faritra Boeny sy Sofia ary distrika sasany ao amin’ny faritra Melaky sy Diana
– FIAKARAN’NY RANO – Ny fivangongoan’ny fako amin’ny toerana sasany no isan’ny mahatonga ny rano miakatra eto Antananarivo Renivohitra, hoy ny talen’ny BNGRC
– BASKETBALL – Efa tonga nanatevin-daharana ny Ankoay ireo mpilalao mpila ravinahitra, miditra amin’ny fanomanana farany ny lalao amin’i Tanzania ny Malagasy
– FILAMINANA – Hanao ezaka manokana hampandriana fahalemana any amin’ny tontolo ambanivohitra ny zandary, hoy ny jeneraly Andry Rakotondrazaka
