VAOVAO – MINUTE FLASH 17 NOVAMBRA 2023.

– HETSIKA POLITIKA – Sazy mihatona herintaona no azon’ireo olona 10 voasambotra tamin’ny hetsiky ny vondron’ny kandidà
– HETSIKA – Manome toromarika ny mpitandro ny filaminana handray fepetra amin’ireo izay manao hetsika tsy nahazahoana alalana ny Jeneraly Richard Ravalomanana
– FIFAMOIVOIZANA – Tsy azo ivezivezena ny lalana Rabobalahy, manoloana ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana manomboka androany hatramin’ny fivoahan’ny voka-pifidianana
– FOTO-DRAFITRASA – Ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin’ny PK10+100 eo amin’ny lalam-pirenena mampitohy an’i Ifanadiana amin’i Ikongo manomboka ny 22 novambra hatramin’ny 07 desambra