– RAHARAHAM-PIRENENA– Nangataka fanazavana amin’ny Fitsaràna avo momba ny Lalampanorenana i Herimanana Razafimahefa mahakasika ny fanesorana azy tsy ho filohan’ny Antenimieran-doholona
– FIFIDIANANA – Nitohy ny hetsik’ireo vondron’ny kandida na dia misy aza ny fandrarana amin’ny famoriana olona an-dalambe nataon’ny prefektiora
– FIFAMOIVOIZANA AN-DRANOMASINA – Botry iray mampiahiahy no saron’ny tafika an-dranomasina tamin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara
– BASKETBALL – Misongadina sahady ny MB2ALL sy ny GNBC nandritra ny andro voalohany ho an’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara fiodinana faharoa zazavavy
