VAOVAO MINUTE FLASH 23 AOGOSITRA 2022

-RAHARAHA AMIN’NY VAHINY – Tsy matanjaka tahaka an’i Rosia isika ka ho avy haka ny Nosy kely manodidina amin’ny sambo mpiady sy tafondro, hoy ny minisitry ny Raharaham-bahiny
-FOTODRAFITRASA – Tokony hisokatra afaka telo volana ny tapany avaratry ny tetikasa Miami ao Toamasina hoy ny sekretariam-panjakana misahana ny Tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana
-FANATANJAHANTENA – Mpilalao zazalahy sy zazavavy 900 latsaky ny 14 taona no mandray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny taranja basketball any Tsiroanimandidy