VAOVAO – MINUTE FLASH 23 JANOARY 2024

– FANABEAZANA – Hiverina hanohana ny fanabezana eto Madagasikara amin’ny alalan’ny tetik’asa Lova izay mitentina 10 tapitrisa dolara ny governemanta amerikanina
– FIFANINANA – Laharana faha-10 i Madagasikara tamin’ny fifaninana fanamboarana mofo maneran-tany
– ANDRO RATSY – Olona telo no maty ary 6.603 no tra-boina taorian’ny orambe tamin’ny faritra maro teto Madagasikara ny 15 sy 16 janoary teo
– TONTOLO IAINANA – Ny 26 janoary izao no ho sokafana amin’ny fomba ofisialy eny Imerintsiatosika ny taom-pambolena hazo 2023-2024