– FIFIDIANANA : Tsy azo raisina ny fangatahan’ny kandida Andry Raobelina ny fanemorana ny fifidianana izay ho filoham-pirenena araka ny didy navoaky ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana
– HETSIKA POLITIKA : Nitohy teny Ampitatafika sy Imerintsiatosika ny hetsiky ny vondron’ny kandidà
– FAMPITANDREMANA AMIN’NY AFO : Mbola hampitombo ny doroafo ny toetry ny andro amin’ny faritra maro eto Madagasikara hatramin’ny sabotsy 28 Oktobra
– FONENANA : Hanangana trano miisa 12, ho atao »maisons communautaires », trano iraisana, ao Farafangana, Fenoarivo Atsinanana, Mahanoro, Vatomandry ary Mananjary ny Fanjakana
