VAOVAO – MINUTE FLASH 26 JOLAY 2021

Affiche YouTube

– VALANARETINA – Iray no maty noho ny covid- 19 ny 25 jolay teo, Tsy nisy tranga vaovao voamarina.
– « FIKASANA FAMONOANA NY FILOHA » – Milaza ho « tsy namatsy vola » ny tetikadin’ireo ahiahiana ho niketrika tetika hamonoana ny filoham-pirena ny Madagascar Oil sy ny mpampiasa vola be indrindra ao aminy.
– LALAO OLAIMPIKA – Nilaza ho afa-po tamin’ny vokatra azony i Eric sy Tojo Andriantsitohaina mirahalahy teo amin’ny taranja fibatana fonjam-by.