VAOVAO – MINUTE FLASH 29 DESAMBRA 2023

FAKANA AN-KERINY – Votsotra avokoa ireo olona nisy naka an-keriny tany amin’ny distrikan’Ankazobe, mbola misy dimy kosa ireo mbola voatana an-keriny any amin’ny distrikan’Anjozorobe.
FIFIDIANANA – Amin’ny fiandohan’ny taona 2024 no hanolotra ny tetiandrom-pifidianana eny anivon’ny kaominina sy ny solombavambahoaka ny CENI
FETIN’NY FARAN’NY TAONA – Fiara 70 isan’andro no manainga eny amin’ny Gara Andohatapenaka hihazo an’i Mahajanga
BASKETBALL – Mpilalao mpila ravin’ahitra telo sy avy eto an-toerana miisa 12 no handrafitra ny Ankoay hiatrika ny fifanintsanana amin’ny Afrobasket 2025