VAOVAO – MINUTE FLASH 3 FEBROARY 2023

– BAOLINA KITRA – Ny alahady 5 Febroary izao no ho tafaverina eto Madagasikara ireo mpilalaon’ny Barea niatrika ny CHAN
– ADY AMIN’NY KOLIKOLY – Raha miohatra ny tamin’ny taona 2018, manatombo ny teti-bola ampiasain’ireo rantsana miady amin’ny kolikoly eto Madagasikara ankehitriny, hoy ny ministry ny Serasera sy ny kolontsaina
– Banky foiben’i Madagasikara – Nanao fianianana androany 3 Febroary teny amin’ny Fitsarana Tampony ny governora vaovao Aivo Andrianarivelo
– FIFIDIANANA – Tsy tratra ny tanjona napetrakin’ny CENI tamin’ilay fanisana ho amin’ny fanavaozana faobe ny lisi-pifidianana