VAOVAO MINUTE FLASH 30 AOGOSITRA 2023

FIFIDIANANA : Kandida roa no nanatitra antontan-taratasy filatsahan-kofidiana ho filoham-pirenena teny amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana
FIVORIANA IRAISAM-PIRENENA : Manatanteraka fihaonambe eto Madagasikara ireo firenena mivondrona ao amin’ny Tambajotram-pifidianana eto amin’ny ranomasimbe Indianina
FIARAHA-MIASA : Notanterahina androany ny dinika politika andiany faha-11 eo amin’i Madagasikara sy ny Vondrona eoropeanina
FAHASALAMANA : Hanatanteraka vaksiny faobe fanefitry ny lefakozatra ny 5 hatramin’ny 8 Septambra indray ireo fitaleavam-paritry ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka